<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>Unknown</author>
<title>Zava-tsoa tokoa ny fitsipikao FFPM210</title>
<lyrics>[V1]
 Zava-tsoa tokoa ny fitsipikao
 Tompo Andriamanitra ô !
 Teny mahasoa, aina, hery koa
 Mba ho an'izay manoa.
 Soa tsy manam-paharoa ny
 fitsipikao
 Iravoanay, fa harena be
 Sarobidy, tsy afoy, izany
 didinao,
 Famonjena ho an'izay
 mandre.

[V2]
 Maizina izahay, kely fantatray
 Nefa ao ny teninao :
 Jiro sy fanilon'ny tongotray,
 Hankanesana Aminao.
 Soa tsy manam-paharoa ..sns.

[V3]
 Raha alaim-panahy itony
 zanakao
 Indro, ao ny teninao,
 Sabatry ny fo, hanoheranay
 Ilay ratsy hatrizay,
 Soa tsy manam-paharoa ..sns.

[V4]
 Fifalianay, odi-tahotray
 Ny Baiboly taminao :
 Avy ny manjo, nefa kosa, Ray
 Ao tokoa ny tavanao
 Iravonay ..sns.
 Soa tsy manam-paharoa ..sns.

[V5]
 Ry Jesosy ô Mpampianatray !
 Maminay ny teninao ;
 Taomy izahay, mba
 hahaizanay
 Hankatò ny didinao.
 Soa tsy manam-paharoa ..sns.</lyrics>
<hymn_number>210</hymn_number>
</song>